Ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Ntsay CHRISTIAN dia mametraka hatrany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Maro amin’izy ireo no mahatoky ny fitondram-panjakana ka vonona hanampy sy hiara-hiasa amin’i Madagasikara.

Isan’ny vokatra azo tsapain-tanana ny fametrahana ny lava-drano na « forage » izay laharam-pahamehan’ny Filohan’ny Repoblika ho vahaolana amin’ny fisitrahana rano ho an’ny mpianatra ka nanatanteraka an’izany ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, fiaraha-miasa tamin’ny Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM). Natolotry ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, teny Ankatso II ny 13 marsa 2025 izany fofodrafitrasa izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, Atoa Harona MOUSSA, Filohan’ny CMSM.

Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana, ary misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. Ankoatra ny rano izay azo ampiasaina ivelan’ny trano fonenana dia tafiditra ao amin’ny efitranon’ny mpianatra tsirairay ankehitriny ny rano fisotro madio.

Nisy ihany koa fanampiana ara-tsakafo natolotra ireo mpianatra, « colis alimentaire » amin’izao vanim-potoanan’ny Ramadan izao ho an’ny mpianatra silamo eny Ankatso, sy any amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliara. Misitraka « Repas chauds » isan’andro kosa ireo mpianatra sahaza hoan’ny mpianatra miisa 500 isaka ny atoandro, nanomboka ny 13 marsa hatramin’ny 31 marsa 2025, ka ny Centre Régional des Œuvres Universitaires – Antananarivo (CROU-A) no mamaritra ireo mpianatra tokony hisitraka izany. Izany rehetra izany dia noho ny fiaraha-miasa amin’ny Masoivohon’i Turquie sy ny Masoivohon’i Egypte eto Madagasikara, ny CMSM ary ny Fikambanana Clé de Madagascar (C2M).