Manakaiky ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2025, ka manentana ireo mpiadina rehetra hanaraka ireo toromarika navoakan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Nisy ny fivoriana fanomanana izay nandraisan'ireo tompon'andraikitra rehetra anjara, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, ny 12 marsa 2025.

Ireto avy ireo fepetra manan-danja amin’ny fisoratana anarana sy ny mahakasika ny fanadinana, araka ny fanamasifana nataon'ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Pr LAZAMANANA André Pierre.

1) 𝐅𝐚𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 : 𝟐𝟓 𝐀𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓

Ny faha-25 aprily 2025 no fe-potoana farany hisoratana anarana ho an’ny fanadinana Bakalorea. Zava-dehibe ho an’ny mpiadina rehetra ny manaraka ity fe-potoana ity, satria tsy hisy fanalavam-potoana omena. Tokony ho feno sy ara-dalàna ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana mba tsy hisy olana amin’ny fanamarinana sy ny fandraisana anjara amin’ny fanadinana.

2) 𝐄𝐏𝐒 𝐏𝐫𝐚𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 : 𝐓𝐚𝐫𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨

Tsy azo heverina ho taranja safidy intsony ny Éducation Physique et Sportive (EPS) pratique. Izany dia midika fa tsy maintsy manatanteraka an’io taranja io ny mpiadina rehetra. Raha misy tsy afaka manao ny EPS pratique noho ny antony ara-pahasalamana na antony manokana, dia ilaina ny mitondra taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo na avy amin’ny tompon’andraikitra ara-dalàna mba hahazoana alalana hanao EPS théorique.

3) 𝐒𝐚𝐟𝐢𝐝𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐨 𝐨𝐯𝐚𝐢𝐧𝐚 : 𝐒𝐕𝐓 𝐧𝐚 𝐏𝐡𝐲𝐬𝐢𝐪𝐮𝐞-𝐂𝐡𝐢𝐦𝐢𝐞

Tsy azo ovaina intsony ny safidy amin’ny taranja Sciences de la Vie et de la Terre (SVT) na Physique-Chimie. Midika izany fa raha vantany vao voafidy ny taranja dia tsy misy fanovana azo atao amin’ny manaraka. Noho izany, manentana ny mpiadina ny ministera mba handinika tsara mialohan’ safidiny, satria io no hoentina amin’ny fanadinana farany.

! 𝐇𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚, 𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐢𝐤𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐨𝐧𝐭𝐨𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐝𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚. 𝐌𝐢𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐢𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓.