Mitohy ny fanamafisana fahaiza-manao na « renforcement de capacités » ho an'ireo mpikaroka ka anjaran’ireo mpikaroka tao amin’ny Ivon-toeram-pikarohana nasionaly momba ny tontolo iainana (CNRE) sy ny Ivon-toeram-pikarohana nasionaly momba ny ranomasina (CNRO) indray no nisitraka izany ny 11 Aprily 2024 tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRE.

Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara. Ankoatra ireo dia zava-dehibe ihany koa ny fampahafantarana misimisy kokoa momba ny fizaka-manana ara-tsaina na « propriété intellectuelle » satria mila arovana ny vokam-pikarohana.

Miara-manatanteraka izany ny Fitaleavan'ny Fikarohana sy ny Haivao (Direction de la Recherche de l’Innovation) eto anivon’ny MESupReS sy ny OMAPI (Office Malgache de la Propriété Industrielle) ary ny CATI (Centre d’Appui à la Technologie et à l’Innovation) . Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatanterahana ny fikarohana sy ny haivao eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa izao fanamafisana fahaiza-manao izao. Ankoatra ny CNRE sy ny CNRO dia Ivon-toeram-pikarohana efatra no efa nisitraka ity fanamafisana fahaiza-manao ity dia ny PBZT, ny IMVAVET, ny CNARP ary ny CNRIT.