Ankoatra ny fankalazana nasionaly tany Mahajanga, teo ambany fiahian-dRamatoa Mialy RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filoham-pirenena, dia nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny vehivavy ihany koa ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa. Nandray anjara tamin’ireo hetsika notanterahina tany amin’ireo toerana misy azy avy ireo vehivavy avy any amin’ireo Oniversite manerana ny nosy.
Nanana solontena tany Mahajanga ny MESUPRES ary nanotrona ny hetsika rehetra tany an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla. Ny teto anivon’ny Ministera foibe sy ireo ivon-toeram-pikarohana samihafa eo ambany fiahiany kosa dia nanatanteraka hetsika ara-panatanjahantena sy « zumba » niarahan’izy ireo nanatontosa ny zoma 07 marsa 2025.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara ny vehivavy, araka ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Pr SALAVA Julien, nandritra izany fotoana izany.
Manodidina ny 422 ny isan’ireo vehivavy miasa eto anivon’ny MESUPRES sy ireo ivon-toeram-pikarohana ary ireo rantsana mifandraika aminy.
« 𝑭𝒊𝒕𝒐𝒗𝒊𝒂𝒏-𝒋𝒐 𝒔𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒌𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒗𝒐𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 »