Tao Mahajanga no notanterahina ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny vehivavy. Ankoatra ny hetsika maro efa nisy nandritra ny andro maromaro dia nisy ny filaharam-be nandraisan'ireo Fikambanam-behivavy samihafa, teny amin'ny Village touristique, ny 08 marsa 2025, ivon'ny fankalazana.
Teo ambany fiahian-dRamatoa Mialy RAJOELINA ny lanonana ary natrehin'olo-manankaja maro, sivily sy miaramila, olom-boatendry sy olom-boafidy. Isan'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta nananatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.
« 𝑭𝒊𝒕𝒐𝒗𝒊𝒂𝒏-𝒋𝒐 𝒔𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒌𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒗𝒐𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 »