Tafiditra hatrany amin’ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon'ny vehivavy dia notokanana tao Mahajanga ny 07 marsa 2025 ny "Tranon'ny viavy mandroso" izay toerana natokana ho fiarovana sy fanohanana ny vehivavy. Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo ankizivavy miisa 300 nahavita fiofanana « Hope ».

Tompon’andraiki-panjakana maro, olom-boafidy sy olom-boatendry no nanontrona ny lanonana notarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filoham-pirenena ka isany nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

« 𝑭𝒊𝒕𝒐𝒗𝒊𝒂𝒏-𝒋𝒐 𝒔𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒌𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒗𝒐𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 »