Ao anatin’ny Fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, izay tarihin-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filohan’ny Repoblika, dia maro ireo hetsika hanamarihana izany ao Mahajanga nanomboka ny 06 marsa 2025.

Isan’ny nisongadina ny tetikasa sy fiofanana “Zatovovavy Miavotra sy Mivoatra”, ny fanatsarana ny endriky ny tanàna izay natao teny amin’ny Village touristique, ny fambolena honko, ny fizaham-pahasalamana sy fandraisana an-tanana ireo marary tamin’ny alalan’ny “Caravane Médicale”.

Olo-manan-kaja maro sy mpikambana ao amin’ny Governemanta no manatrika izany hetsika samihafa izany ka isan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

« 𝑭𝒊𝒕𝒐𝒗𝒊𝒂𝒏-𝒋𝒐 𝒔𝒚 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒌𝒂𝒏-𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒐𝒗𝒐𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 »