Natomboka tamin’ny alalan’ny dinidinika famelabelaran-kevitra tao amin'ny Akademia nasionaly ho an'ny hai-kanto, ny hai-laza ary ny hai-raha, ny 05 marsa 2025 ny fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny zon' ny vehivavy ho an’ny eto Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ny « 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧-𝐣𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐤𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐯𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 » no lohahevitra tamin’izany.
Nitondra ny vokam-pikarohana nataony mifandraika amin'io lohahevitra io ny Dr RAMAKAVELO Geneviève, mpikaroka eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sady Filoham-boninahitry ny Fikambanan'ny Vehivavy sy ny Siansa. Vory lanona vehivavy miasa ao amin'ny MESUPRES, tanjon'ity famelabelaran-kevitra ity ny fampahafantarana ny zo ananan'ny vehivavy sy ny mifandraika rehetra amin'izany.
Nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan'ny Akademia Malagasy, Pr RABENORO Irène sy ny Filohan'ny Fikambanana Vehivavy sy Siansa, Pr RANAIVOSOA Voajanahary.
Mitohy ny fankalazana ka handray anjara amin'ny fanamarihana nasionaly hatao any Mahajanga ho tarihin-dRamatoa vadin'ny Filoham-pirenena, Mialy RAJOELINA ny solontena avy ato amin’ny Ministera.