Nandray ny asany ny Tale vaovao misahana ny Fankatoavana sy ny fiantohana ny kalitao na ny “Direction de l'Accréditation et de l'Assurance Qualité” (DAAQ) eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAHARININA Angelo. Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 19 febroary 2025 lasa teo ny tenany. Izy, araka izany, no mandimby toerana ny Pr RAKOTOZAFY Rivo ka ny 04 marsa 2025 no tontosa ny famindram-pitantanana teo amin'ny roa tonta.
Nitarika ity fotoana ity ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, Pr SALAVA Julien, notronin’ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony sy ireo Tale isan-tsokajiny.
Hanohy ireo ezaka rehetra sy hitondra vina vaovao ho fanamafisana ny fanatsarana ny rafitra "Accréditation" sy "Assurance Qualité" eto Madagasikara no tanjona napetraky ny Tale vaovao, izay nanainga ny fiaraha-mientan'ireo mpiara-miasa tsy ankanavaka.