Ny Ivon-toeram-pikarohana mikasika ny ranomasina na CNRO dia iray amin’ireo ivon-toeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa. Ao Nosy Be no misy azy. Ny taona 1950 no niorina ity ivon-toeram-pikarohana ity ka ORTSOM no niantsoana azy. Ny taona 1977 kosa no nanomboka nitantanan’ny fanjakana malagasy azy sy nisalorany ny anarana CNRO.
Raha ny toerana misy azy sy ny asa fikarohana tanterahina ao dia manana tombony lehibe ny CNRO. Mipàka mivantana amin’ny andavanadom-piainana mantsy ireo voka-pikarohana arosony, izay manodidina ny harena anaty rano. Vokasika ihany koa ny sehatra hafa toy ny fizahan-tany satria manana Mozea io toerana io izay misy mpitsidika maro. Mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin’ny Faritra misy azy sy ny firenena, araka izany ny CNRO.
Marobe ny zavatra mbola azo trandrahana ao an-toerana ary tsapa fa tokony mbola hisongadina kokoa ity ivon-toeram-pikarohana ity. Ny toeram-pamakiam-boky, ohatra, dia mitahiry tahirin-kevitra maro efa hatramin’ny zato taona lasa, vokam-pikarohana ary boky fianarana. Ny mozea dia manintona mpianatra sy mpizahatany, ahitana ireo karazam-biby sy zava-maniry an-dranomasina. Eo ihany koa ireo voka-pikarohana efa azo ampiharina toy ny famokarana fanampin-tsakafo amin’ny alalan’ny famadihanana ireo hazan-drano.
Izany rehetra izany dia mifanaraka amin’ny Politikam-panjakana ankehitriny ka antony nidinan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla tao Nosy Be ny 21 sy 22 febroary 2025. Nandritra izany no nihaonany tamin’ny mpitantana, notarihan’ny Talen’ny CNRO, Dr. ADOUHOURI Aly Bachiry, ireo mpikaroka sy ny mpisehatra rehetra ao an-toerana ka nahafahana namolavola drafitra hanatsarana sy hanavaozana ity ivon-toeram-pikarohana ity.
Nanome toromarika maromaro ny tenany dia ny fanaovana ny vokam-pikarohana ho fitaovana hanampy ny filan’ny vahoaka ankehitriny ; ny fanatsarana ny fitantanana hisian’ny mangarahara sy ny vokatra azo tsapain-tanana ; ny fanatsarana ny endriky ny ivon-toerana mba hahasarika kokoa ny mpitsidika. Nitaky araka izany Ramatoa Minisitra ny hanomanan’ny mpitantana sy ireo mpikaroka tetik’asa miompana amin’ireo hevi-dehibe ireo ka mba ho ivon-toeram-pikarohana manana ny maha izy azy ny CNRO Nosy Be.