Natomboka ny 22 Febroary 2025 ny asa fanamboarana ny lalana eny Ankatso II, izay ankasitrahan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ( MESUPRES) amin’ny alalan’ny Centre Régional des Œuvres Universitaires d’Antananarivo (CROU-A) ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Faritra Analamanga.

Ny faritra amboarina dia manodidina ny 800 m², manomboka eo amin’ny Barrière Ankatso I midina makany Ankatso II. Mba hahazoana lalana maharitra sy tsara kalitao dia hatao amin’ny endrika “pavé” ny ampahany amin’ny lalana ary “goudron” kosa ny ampahany hafa. Vokatry ny fifampidinihan’ny MESUPRES tamin’ireo tompon’andraikitra dia napetraka ho laharam-pahamehana ny fahavitrihan’ny asa, na dia amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao aza. 90 andro no vinavinaina haharetan’ny asa, araka ny fanazavan’Atoa RAZAFIMAMONJY Fred-Nirina Honoré, Chef de chantier avy amin’ny EGC Tiana. Na izany aza, miankina amin’ny toetr’andro ihany koa ny fahataperany, saingy hotanterahina faran’izay haingana mba ho azon’ny mpampiasa ampiasaina amin’ny fepetra tsara kokoa.

Hotapaka vonjimaika ity lalana ity ka ny 23 febroary 2025 dia hotapaka mandritra ny tontolo andro izany. Manomboka ny 24 febroary 2025 kosa dia ho tapaka isan’andro amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro, mandra-pahavitan’ny asa.

Ity fanamboarana ity dia ezaka natao hanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ny Oniversite, izay hahasoa indrindra ireo mpianatra sy mponina eny Ankatso II.