Ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena ho fanamaitsoana an’i Madagasikara, hiarovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny fiovan’ny toetr’andro dia nandray anjara amin’ny fambolen-kazo ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).

Notanterahina ny 14 Febroary 2025 tao amin’ny Fokontany Ampangabe, Kaominina ambanivohitra Ambalavao, ny hetsika, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla.

Notsindrian-dRamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny fa ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa dia mandray anjara feno hanao adidy hoan’ny taranaka sy hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Zanakazo miisa 6 000 no novolena tamin’ny velaran-tany 04 Ha, vokatry ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa rehetra. Karazan-kazo 13 isa no nofantenana : 𝐴𝑐𝑎𝑐𝑖𝑎 𝐴𝑢𝑟𝑖𝑐𝑢𝑙𝑖𝑓𝑜𝑟𝑚𝑖𝑠, 𝐴𝑐𝑎𝑐𝑖𝑎 𝑑𝑒𝑎𝑙𝑏𝑎𝑡𝑎, 𝐶𝑒𝑟𝑐𝑖𝑠 𝑠𝑖𝑙𝑖𝑞𝑢𝑎𝑠𝑡𝑟𝑢𝑚, 𝐷𝑜𝑑𝑜𝑛𝑒𝑎 𝑚𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑎𝑟𝑒𝑛𝑠𝑖𝑠, 𝐷𝑜𝑑𝑜𝑛𝑒𝑎 𝑉𝑖𝑠𝑐𝑜𝑠𝑎, 𝐸𝑢𝑐𝑎𝑙𝑦𝑝𝑡𝑢𝑠 𝑔𝑟𝑎𝑛𝑑𝑖𝑠, 𝐹𝑟𝑎𝑥𝑖𝑛𝑢𝑠, 𝐺𝑟𝑒𝑣𝑖𝑙𝑙𝑒𝑎, 𝐽𝑎𝑐𝑎𝑟𝑎𝑛𝑑𝑎, 𝑀𝑎𝑛𝑡𝑎𝑙𝑦𝑠, 𝑀𝑖𝑙𝑙𝑒𝑡𝑖𝑎, 𝑃𝑜𝑑𝑜𝑐𝑎𝑟𝑝𝑢𝑠 ary ny 𝑇𝑟𝑜𝑒̂𝑛𝑒.

Ireo zanakazo ireo dia novokarina sy nofantenana avy ao amin’ny Ivon-toeram-pikarohana Nasionaly momba ny Tontolo Iainana (CNRE), Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministera. Nojerena sy nodinihina manokana izy ireo mba hifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny tontolo voajanahary eto Madagasikara.

Napetraka ihany koa ny rafitra fanaraha-maso aorian’ny fambolena, izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) mba hiantohana ny fitombon'ireo hazo sy hanatsarana ny vokatra amin’ny taona ho avy.