Nifantoka tanteraka tamin'ny fanatsarana fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny "Centre Régional des Œuvres Universitaires d'Antananarivo" na ny CROU-A sy ny mpianatra, ary ho fiantohana ny filaminana eny anivon'ny "Cité Universitaire" ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, tamin'ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CROU-A sy ireo Filohan'ny Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 23 ary ny solontenan'ny Filohan'ireo "blocs", ny 13 febroary 2025.

Napetraka nandritra ny fihaonana ny fangaraharana amin’ny fampidirana mpianatra hisitraka trano sy ny fepetra fazahoana ny "fast food". Nofaritana mazava ny andraikitry ny CROU-A sy ireo Filohan'ny Fikambanan'ny mpianatra ary ireo Filohan'ny "blocs".

Toy ny ray aman-dreny ny zanaka dia naneho ny maharary azy ireo solontenan'ny mpianatra. Tetsy ankilany kosa, nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin'ny CROU-A.

Nanamafy ny Minisitra fa mametraka ny tombotsoan'ny rehetra ho laharam-pahamehana ny Ministera ary manokatra ny varavarany amin’ny fifampiresahana ka raha misy ny olana dia iaraha-mitady ny vahaolana.

Nanatrika ity fihaoana ity ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Pr SALAVA Julien, ireo mpanolotsaina, ny Talen’ny CROU-A, Andriamatoa MAMISOA Aina ary tompon’andraikitra samihafa eto anivon’ny Ministera.