Misokatra ho an’ny rehetra hatrany ny Ministera.

Nisy ny fanaovana tombana ireo dingana vita momba ny hetahetan’ny mpiasa sy fanoloran’ny Biraon’ny Sendika’ny mpiasa ireo mpikambana mandrafitra ny komity hanara-maso ny fizotry ny fangatahana.

Naneho fahavononana ny rehetra fa hiara-hiasa ho an’ny tombontsoa iraisan’ny mpiasa. Voaresaka izany rehetra izany nandritra ny fandraisan-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla ireo mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (SYNDPERS), ny 10 febroary 2025 teto Fiadanana.