Araka ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA, tanjona ny tsy hisian'ny fahataran'ny fandoavana ny vatsim-pianarana, hisorohana ireo lesoka rehetra ka hamoahana izany ara-potoana. Ho fanatanterahana ny asa dia nidina ifotony teny amin’ny Oniversite, araka izany, nijery ny fizotry ny fikarakarana ny vatsim-pianaranan’ny mpianatra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, niaraka tamin'ireo ekipa teknikan'ny Ministera roa (MESUPRES sy MNDPT) ny 06 febroary 2025.

Nanombohana ny fitsidihana ny teny amin'ny Oniversiten’Antananarivo, ny Fakiolten'ny Fianarana ho mpitsabo, ny Fakiolten'ny Siansa ary ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo, eny Vontovorona.

Nanome toromarika ireo tompon'andraikitra rehetra ny Minisitra amin’ny fanentanana ireo mpianatra mba hanaja ny fe-potoana nomena amin'ny fisoratana anarana sy hanome ireo mombamomba azy mari-pototra ary hanaraka ireo dingana rehetra amin'ny fazahoana vatsim-pianarana. Dingana voalohany amin’ny fazahoana vatsim-pianarana ny fahavitana fisoratana anarana. Ao aorian'izay vao manomboka ny dingana ataon'ny Ministera telo tonta misahana ny vatsim-pianarana, dia ny MESUPRES, ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) sy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF).

Nangataka ny Minisitra mba samy ho tompon'andraikitra amin'ny asany ny tsirairay ary hiara-hientana amin'ny ezaka sy fikirizana hanatratrarana ny tanjona.

Mitohy manaraka ny asa eny anivon’ny services de scolarités rehetra ny mpiasan’ny MESUPRES sy ny MNDPT mba hanamora ny famahana ny olana mety hitranga mandritra ity fikirakirana vatsim-pianarana ity.