Araka ny toromarik’Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA dia laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Nisy ny fihaonana notanterahina tao amin’ny Digital Center Antaninarenina, ny 04 febroary 2025, hamaritana vahaolana maharitra amin’ny fitantanana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy nanaovana tombana ny dingana vita ary ny fanatsarana hatao amin'ny rindram-baiko "EDUTIC" amin'ny ankapobeny. Napetraka ny tetiandro hanombohana ny fidinana ifotony isaka ny Oniversite. Tanjona ny fikarakarana vatsim-pianarana tsara kalitao sy haingana hisorohana ny fahatarana sy ireo olana mety hitranga. Tao anatin'izany dia nanolotra solosaina 10 ho an'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ary mbola hisy ihany koa ny fanolorana "connexion".

Nitarika ity fivoriana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla CHAMINAH, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa Stéphanie DELMOTTE, notronin'ireo Sekretera Jeneralin'ny Ministera roa tonta sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ary ireo teknisianina maro.