Nanetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo diplaoma tao amin’ny Ivontoerana Ambony momba ny Teknolojia na Institut Supérieur de Technologie (IST) d’Antananarivo, notanterahina teny amin’ny lapan'ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 29 janoary 2025.

Laharam-pahamehana ho an'ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, ary tafiditra tanteraka ao amin'ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana sady antom-pisian'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana. Reharehan'ny Ministera sy ny firenena araka izany ireto mpianatra mazoto sy feno finiavana, miasa mafy ho an'ny hoavy tsaratsara kokoa ho an'i Madagasikara ireto, hoy ny Sekretera Jeneraly nandritra ny fandraisany fitenenana.

Nanome voninahitra ity lanonana ity, nisolotena ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera sady Lehiben'ny Filankevi-pitantanan'ny ISTn’Antananarivo, Pr SALAVA Julien.

Miisa 671 ireo mpianatra andiany faha 29 nisalotra ny anarana « Maharitra » raha toa ka 717 ny andiany faha 30 « Kintana », ka nahazo ny diplaoma "Techniciens Supérieurs", "Techniciens Supérieurs Spécialisés de grade Licence" ary "Ingénieur de grade Master". Nitsinjara tamin’ireo sampana telo izy ireo dia ny "Bâtiment et Travaux Publics" ny "Génie du Management d'Entreprise" ary ny "Génie Industrielle".

Ny IST dia toeram-pampianarana Ambony eo ambany fiahian'ny MESUPRES, mitovy lenta amin'ireo Oniversitem-panjakana, ka Ambositra, Antanananarivo ary Antsiranana no ahitana IST eto Madagasikara. Niforona tamin’ny taona 1991 ny ISTn’Antananarivo ka mpianatra manodidina ny 12 000 no efa nivoaka tao nandritra izay 30 taona mahery izay ary mitana andraikitra lehibe eny anivon'ny orinasa maro eto Madagasikara sy any ivelany avokoa izy ireo.