Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo mpianatra sy ny toeram-ponenan’izy ireo dia napetraka eny amin’ny cité R+1 Ankatso II ny famatsiana herinaratra 160 KVA mahazaka tanteraka ny filàn’ireo mpianatra mipetraka eny an-toerana.

Tonga nanatanteraka ny asa ny ekipa teknika avy ao amin’ny JIRAMA ny 29 janoary 2025. Taorian’ny dingana rehetra nataon’ny tompon’andraikitra dia natomboka amin’ny fandavahana lavaka hitsatohan’ny andrin-jiro miisa 11 ny asa. Efa vonona avokoa ny fitaovana rehetra entina hananganana izany, ka hahafahana manome jiro maharitra ho an’ireo mpianatra monina amin’ireo "bâtiment" roa, ho an’ny lahy sy ny vavy.

Nitarika izany ny avy amin’ny CROU-A, Atoa RAKOTOARIMANANA Solohaja Harijaona, notronin’ Atoa Herilaza, tompon’andraikitra avy ao amin’ny JIRAMA Soanierana.

Ho fanamafisana ny fankasitrahana ny fitondram-panjakana, dia nisaotra manokana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny solotenan’ny mpianatra notarihin’ny Filohan’ny bloc R+1 ao Ankatso II, Atoa TREMA Ignark José. Araka ny nambarany dia dingana lehibe ho an’ny mpianatra ny fahatongavan’ny jiro vaovao satria mamaly ny fangatahan’izy ireo sy manatsara ny fianarany.

Nankasitraka ny Minisitra ihany koa ny mpianatra noho ny fandraisana andraikitra amin’ny famatsiana rano. Efa mandeha tsara izany amin’izao fotoana izao, ary efa natomboka ny fampidirana azy isaky ny trano fonenana, ka ny eny amin’ny R+1 misy ny vehivavy no nanombohana izany.

Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia maneho ny fahavononany hatrany amin’ny fanatsarana ny tontolon’ireo mpianatra sy ny anjerimanontolo.