Araka ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Ntsay Christian dia nanatanteraka fihaonana niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola eto amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ny Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, notronin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Natolotra nandritra izany ireo vina sy tetikasan'ny Ministera izay an-dalam-panatanterahana sy mbola hoavy. Tanjona ny fampivelarana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho tena fitaovana fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Ireo vina izay natolotra ireo dia miompana amin'ny laharam-pahamehana dimy :
- ny fiantohana ny fahamarinan'ny fizotran'ny fanadinana bakalorea
- ny fanavaozana sy fanarenana ny fotodrafitrasa
- ny fitondrana tsara tantana, antoky ny fisandratan'ny firenena
- ny fanamafisana ny fahaiza-manaon' ireo mpampianatra ary
- ny fihaonambe nasionaly momba ny fampianarana ambony
Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanoloran'ny Ministera tetikasa lehibe hanehoana ny fahavononana hanorina hoavy mamiratra ho an'ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Niantso ny fanohanana avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka tsirairay mba hanatanterahana ity vina ity sy hiasa miaraka ho an'ny ho avy tsaratsara kokoa ny Minisitra.
Tonga niara-nifanakalo hevitra nandritra ny fihaonana ny solontena avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ny "Service de Coopération et d’Action Culturelle" (SCAC) eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, ny "Fonds des Nations unies pour l'enfance", ny "Agence Universitaire de la Francophonie" (AUF) ny "Agence Française de Développement" (AFD) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro hafa.