Fanamby goavana napetrak'Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA tamind-Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, vao vantany nandray ny fitantanana ity Departemanta ity ny tenany, ny fanatsarana sy fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambony eto Madagasikara.

Tanterahina ny 23 sy 24 janoary 2025 ao Mantasoa, araka izany, ny atrik’asa karakarain'ny ministera momba ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana. Mandray anjara ao avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana ambony, ny vondron’ny Profesora eto Madagasikara, ireo Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST, ireo Filoha mpisolo toeran’ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary ny mpikambana avy ao amin’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra (SECES).

Mialoha ity atrik’asa ity dia efa natao ny fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra rehetra ireo, ary niara-niaiky ny rehetra fa nihen-danja ny kalitaon'ny fampianarana. Noho izany, kendrena ny hitondrana vahaolana sy handraisana ny hevitry ny maro manoloana io fidinan'ny kalitaon'ny fampianarana io. Aorian'ny atrik’asa dia hisy ny fehin-kevitra hivoaka.

Isan’ny lahadinika ny fomba fitantanana eny anivon'ny Oniversite sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay. Hojerena ihany koa ny fepetra ara-tsiansa amin'ny fampitoviana ny lanjan'ny ny diplaoma "Doctorat" sy "Habilitation à Diriger des Recherches" ary ny fijerena manokana ny fahaiza-manaon’ireo hisehatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony. Tafiditra amin’izany ny fanajana ny soatoavina, ny fitondran-tena sy etika ary deontôlôjia.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa ny 23 janoary 2025 ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla notronin'ny Sekretera Jeneraly sy ireo Tale Jeneraly ary Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny ministera.