Nisy ny fihaonana notanterahina tao amin’ny Digital Center Antaninarenina, ny 21 janoary 2025 niresahana sy nandinihina ireo fanatsarana ilaina ho fanovana ny Ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra CNTEMAD ho oniversite nomerika. Isan’ny lahadinika ihany koa ny famolavolana tetiandro ho fanatanterahana izany ary ny fampivondronana ny lafiny teknika samihafa entina manantanteraka ny tetikasa.
Nitarika ity fivoriana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla CHAMINAH, sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa Stéphanie DELMOTTE, ny Talen'ny AUF ho an'ny faritra Afrika atsinanana sy ny Ranomasimbe indiana, Ramatoa Aïssatou SY-WONYU, ary ny Tale Nasionalin’ny CNTEMAD, Dr Lalatina Christian ANDRIAMIRADO. Ity fandaharan’asa ity dia tohanan’ny AUF ara-teknika ary iarahan’ireo ministera voakasik’izany.