Natomboka teny amin'ny Fasan'ny Mahery Fo avaratr'Ambohitsaina Mausolée ny lanonam-pahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947 sy fametrahana fehezam-boninkazo. Nitarika izany ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA notronin'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ka anisan' izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Taorian'izay dia nitohy teny amin'ny tsangambaton'ny Mahery Fo eny Ambohijatovo ny lanonana ho fanomezam-boninahitra ireo olona niaina izany tantara tsy maty vonoina ao am-po izany.