Niarahaba sy nitondra ny teny firariantsoa noho ny taona vaovao ho an-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha eto anivon’ny Ministera ny 13 janoary 2025.
Nankasitraka azy ireo hatrany ny Minisitra tamin’ny fiaraha-manatontosa ny adidy aman’andraikitra ary mbola manantena ny ezaka avy amin’ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Ministera.
Ho fanatsarana ny taom-piasana 2025 dia nisy ny fihaonana notanterahin’ny Firaisankinan’ny Lehiben’ny Sampandraharaha na « Solidarité des Chefs de Service (SCS) ny 09 janoary lasa teo, tao amin’ny California Academy of Sciences (CAS) Fiadanana. Izany fihaonana izany dia nahafahana nanao jery todika ny asa vita ary nahafahana nanapaka ny hisian’ny fifanampiana sy ny fifampizarana traikefa eo amin’izy ireo, indrindra amin’ny lafiny teknika, mba ahafahana mandray anjara mavitrika kokoa amin’ny fampandrosoana ny Ministera.
Nitsangana araka izany ny birao vaovaon’ny vovonana, hikarakara hetsika « team building » izy ireo.