Amin’ny maha zanaka sy raiamandreny dia tonga teto Fiadanana, niarahaba sy nitondra ny teny firariantsoa ho an-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ireo Filohan’ny Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 23 sy ny « Blocs », ny 13 janoary 2025.

Nankasitraka ny Minisitra ireto solontenan’ny mpianatra ireto tsy nanao ambanin-javatra ny hetahetan’izy ireo ary manantena hatrany ny hitohizan’ny fandraisana andraikitra sy ny fifampidinihina ho fanatsarana ny tontolon’ny anjerimanontolo, toy ny vahaolana momba ny jiro sy ny rano. Naneho fahavononana hatrany izy ireo ny hikatsaka izay fomba hampiroboroboana ny Fampianarana Ambony ary nandroso soso-kevitra ho fanatsarana ny fotodrafitrasa.