Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ireo mpikambana mivondrona ao amin’ny Fikambanamben’ny Profesora eto Madagasikara, ny 13 janoary 2025, teto Fiadanana.

Nandritra ny fihaonana no nanaovana tombana ireo asa vita sy ny fanamby mbola miandry amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Nankasitraka ny fandraisana andraikitra sy ny ezaka vitan’izy ireo ny Minisitra ary nanentana ny rehetra hanohy ny fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny sehatra akademika.

Fotoana nanararaotana niarahabana ny Minisitra sy nifampirariana soa noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ihany koa ity fihaonana ity.