Tontosa ny 10 janoary 2025 teto Fiadanana ny fifampiaharabana teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla sy ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien miaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky, sy ireo Tale Jeneraly ary ireo Tale eo anivon’ny Minisitera.
Nandritra izany dia nitondra ny teny firariantsoa sy firaisankina ho an-dRamatoa Minisitra izy ireo, manoloana ireo andraikitra goavana mbola miandry.
Nankasitraka ny mpiara-miasa ny tenany tamin’ny ezaka vita tao anatin'izay efa-bolana nitantanany ity departemanta ity izay, ary mbola manentana ny rehetra mba hifanome tanana hatrany amin’ny fanatanterahana ny asa sy fanatrarana ireo tanjona napetraka.
Ity taona ity rahateo dia taona hamitana ireo fampanantenan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, izay nampiandraikentiny ny Governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra, Andriamatoa NTSAY Christian.
Naneho hatrany ny fahavononana hifanohana sy hifanampy ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Minisitera ho fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.