Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ireo tompon’andraikitra avy ao amin'ny ONG Direct Aid, ny 09 janoary 2025.
Nanamarika ity fihaonana ity ny fanolorana fanampiana ara-bola, entina hikarakarana ny Atrik’asa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, izay hotanterahina ny 23 sy 24 janoary hoavy izao. Zava-dehibe izany fanohanana izany ary manamarika ny fitohizan'ny fiaraha-miasa sy ho fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana ambony eto Madagasikara.
Ny Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana Direct Aid dia mandray andraikitra amin’ny asa maha olona maro ary mbola hitohy hatrany izany ho an'ity taona 2025 ity mba ho tombontsoan’ny besinimaro.