Manoloana ny voina nahazo ireo mpianatra mipetraka ao amin’ny Cité Prefa N Andrainjato, ny alin’ny 04 janoary lasa teo, dia tsy niandry ela ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, fa nidina avy hatrany nijery ifotony androany 06 janoary, ny tokony hanampiana, ankoatra ireo andraikitra efa noraisina niaraka tamin’ny Filohan’ny Oniversite Pr HAJALALAINA Aimé Richard, ny andron’ny fahamaizana.
Tsy nijery fotsiny ny fitondram-panjakana fa nampitondra fanampiana, nanolotra izany ny Minisitera mpiahy sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa ary ny BNGRC.
Ao anatin’ny dian-dRamatoa Minisitra dia nihaona tamin’ireo « Conseils de Direction » ny tenany ka noresahina ny mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fanampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpampianatra, ny fikambanan’ny mpianatra rezionaly sy federaly ary ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha sy mpandraharaha ihany koa izy.
Nanotrona ity fitsidihana ity ireo tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana notarihin’ny Prefen’i Fianarantsoa, Atoa RALAIHARISON Nirina Thiery.