Nanolotra fanomezana « panier garni » ho an’ny mpiasa rehetra eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Minisitra Pr CHAMINAH Loulla ny 24 desambra 2024. Ity hetsika ity dia natao hanehoana ny fifampitsinjovana sy ny firaisankina, indrindra amin’izao fotoanan’ny fety izao.
Nandritra ny lanonana dia nankahery sy nirary fety sambatra ho an’ny rehetra ny Minisitra, ary nanamarika fa maro ny asa miandry amin’ny taona 2025, izay mitaky finiavana sy ezaka lehibe avy amin’ny tsirairay.
Nisaotra manokana ny Minisitra ny solotenan’ny mpiasa noho izao fanehoam-pitiavana sy firaisankina izao, izay mampifandray ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny ministera.