Notanterahina tao amin'ny "Port Academy Center" Toamasina ny 18 sy 19 desambra 2024 ny fihaonan'ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanamben'ny Profesora eto Madagasikara, izay ivondronan’ireo Profesora misehatra eny amin’ireo oniversite.

Andry ianteheran'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ambony sy ny Oniversite ny fikambanamben'ny Profesora ary manohana tanteraka azy ireo ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla.

Tanjona ny fanomezana sehatra hifankafantaran'ireo mpikambana sy hifampizarana fahalalana sy traikefa ary handinihana ny fiainan'ny fikambanana sy ny tontolon'ny Anjerimanontolo. Tamin'io fotoana io ihany koa no nampahafantarana ireo voka-pikarohana siantifika.

Nomarihana tamin'ny fifampizarana, famelabelaran-kevitra narahana adihevitra ary fizaràna mari-pankasitrahana ho an'ireo mpikaroka nisongadina ny fotoana. Noraisina ihany koa ireo mpikambana vaovao izay vao nahazo ny mari-pahaizana HDR.

Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana ny Pr RAKOTOMANASA Hajanirina, Filoha nasionalin'ny fikambanana.

"𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐬𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐞𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐞𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐥𝐚𝐟𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚" no lohahevitra novoizina nandritra izany. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambaran'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina, Pr RAZANAKOLONA Diny, fa mifanaraka amin'ny vinan'ny Oniversiten'i Toamasina, izay mpampianatrano, io ny lohahevitra nosafidiana io.

Any Mahajanga indray no hotanterahina ny hetsika amin'ny taona 2025.