Araka ny tapaka nandritra ny Fihaonamben'ireo Filohan'ny Oniversite na « CPU », ny 06 desambra 2024 dia hatsaraina ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo tompon'andraikitra hitantana eny anivon'ireo Oniversite manerana ny nosy.
Nisy araka izany ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, tamin'ireo vaomiera hijery manokana ity lalàna ity, teto Fiadanana, ny 19 desambra 2024.
Mandrafitra ny vaomiera ireo manam-pahaizana manokana momba ny lalàna, ireo solontena avy amin’ny vondronan’ny Profesora, ireo solontena avy amin’ny Oniversite manerana ny nosy ary ny solontena avy amin’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra.
Nandritra ny fivoriana dia niara-nanaiky ny rehetra fa misy tsy fahatomombanana sy hevitra mifandipatra maromaro hita ao amin’ny lalàna ankehitriny ka samy nanambara ireo teboka sy andininy tsy lavorary ireo mpandray anjara. Tanjona ny hamoahana lalàna ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna velona, tsy misy fifanoherana, mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ireo Oniversite tsirairay ary mampisy fifandimbiasana demokratika.
Mbola misy vondron'olon-kafa hakana hevitra eny anivon'ireo oniversite ary aorian'ny fanapahan-kevitra eken'ny besinimaro dia haroso hodinihana amin'ny Filan-kevitry ny Governemanta izany. Santatra am-bavarano ity fihaonana ity ary mbola hisy ny fivoriana manaraka hiarahan'ireo vaomiera.