Tafiditra hatrany ao amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana eny amin'ny anjerimanontolo dia fotodrafitrasa maromaro no notokanan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr. CHAMINAH Loulla, tao amin'ny Oniversiten'i Toamasina, ny 14 desambra 2024.

Nisy ihany koa ny fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ireo boky 800 baoritra, izay fiaraha-miasa amin'ny Oniversiten'i Toamasina sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy : ny Oniversiten'i Rouen, ny « Livres sans frontières » ary fanamafisam-piaraha-miasa eo amin'ny Faritra Atsinanana sy ny Région Normandie.

Nametraka hafatra tamin'ireo mpianatra ny Minisitra mba hikolokolo, hampiasa ary hamaky ireo boky ireo satria marobe ny tombontsoa azo avy amin'ny vaky boky, na dia eo aza ny fandrosoana entin'ny nomerika.

Notsidihina kosa ny « rampes » natokana ho an'ireo manana fahasembanana, napetraka eny amin'ireo sampam-pianarana samihafa, izay mitotaly 70metatra.

Tao amin’ny Institut Confucius dia natolotra ireo mpianatra ny kianja filalaovana Basket, ny dobo haingon'ny toeram-pianarana, ny toerana famakiam-boky sy fialam-boly ao amin'ny Institut Confucius. Izany dia entina manohana hatrany ny fampianarana teny sinoa sy ny kolontsaina sinoa. Nisy ny takelaka mirakitra izany fitokanana izany, izay natrehin'ny Filohan'ny Oniveriten'i Toamasina, Pr. RAZANAKOLONA Diny, ny Tale Malagasy ao amin'ny Institut Confucius, Dr RAVELOMANANA Fidelys ary ny Tale Sinoa ao amin'ity Ivon-toeram-pampianarana ity, Dr WANG Linzhe.

Nankasitraka izao fampitaovana sy fanatsarana ny tontolo ianaran'ireo mpianatra izao ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina sy ireo mpianatra nisitraka izany.