Notanterahina tao Toamasina ny 14 desambra 2024 ny fivoriana nanaovana tombana ny fanadinana Bakalorea ny taona 2024, fivoriana fanao isan-taona izay mampivondrona ireo mpandray anjara sy mpiantsehatra rehetra voakasika amin'ny fikarakarana sy fanatontosana io fanadinam-panjakana io.

Nanokatra ny fivoriana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr. CHAMINAH Loulla, natrehin'ny solontena avy ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, misahana ny fampianarana, ny Sekretera Jeneralin'ny Ministera, ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, ireo Tale isan-tsokajiny, ary ny avy ao amin'ireo Oniversite enina sy ireo Oniversite manakaiky vahoaka.

Nahafahana nanao tombana ny Bakalorea 2024 ity fotoana ity no entina mitondra fanatsarana sy hanomanana sahady ireo fanadinana hoavy.

Nanome toromarika ny Minisitra ny hijerena amin'ny antsipirihany ireo teboka heverina ho kely kanefa manan-danja ao anatin'ny fanomanana ny fanadinana Bakalorea. Ny fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy no miara-misalahy mifanome tan-tsoroka amin'ny fanatontosana ny fanadinana Bakalorea, midika izany fa zava-dehibe eto aminy firenena io fanadinam-panjakana io. Tokony samy hanatontosa ny asany ara-dalàna ny tsirairay, hoy izy, satria misy fiantraikany amin'ny fiainam-pirenena ny hadisoana kely izay atao. Noho izany dia ho sarotiny sy tsy handefitra ny tenany, tsy hanaiky ny hisian'ny lesoka amin'ny fanadinana manaraka.

Nisy ny asam- baomiera nataon'ireo mpizaika nandinihina ny lafiny teknika, ny fiarovana, ny ara-bola ary ny informatika. Ireo vaomiera efatra ireo no nikaon-doha sy nandroso vahaolana izay hampiharina avy hatrany amin'ny fikarakarana ny Bakalorea 2025.