Taorian’ny fanomezana fanofanana ireo mpampianatra ao amin'ny Oniversiten’Itasy, Fianarantsoa, Analanjirofo dia nisitraka ny fanofanana omen’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ihany koa ireo mpampianatra ao amin’ny IES-AV na ny « Institut d'Enseignement Supérieur d'Antsirabe-Vakinankaratra » nanomboka ny 26 Martsa 2024 ary nahararitra telo andro.
Tsy miova ny tanjona fa ny hanomezana fampianarana tsara kalitao ho an'ny rehetra ary hampitana fomba fiasa vaovao entina mampianatra, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana tanterahan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ao antin’ny 100 andro.
Niompana tamin’ireto teboka ireto ny fanofanana nandritra izay hateloana izay: ny etika sy ny deontolojian’ny fampianarana, ny fahaiza-mitantana, ny pedagojia mavitrika sy ny teknolojiam-pifandraisana ampiharina amin’ny fampianarana ka narahana fampiharana tamin’ny alalan’ny fanaovana asa isan-tsokajy izany.