Ao anatin’ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny Ivon-toerana Nasionaly mampianatra ny teny anglisy (CNELA) dia nisy ny lanonana fizaràna mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose Bypass, ny 10 desambra 2024. Mpianatra 155 nahavita fianarana ny taona 2024 no notolorana izany.

Nisolotena ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr. CHAMINAH Loulla, ny Talen’ny Serasera eto anivon’ny ministera, Dr. RAVOLATSARA Arlette. Nohamafisiny tamin’izany fa zava-dehibe ny teny anglisy, izay tena ilaina amin’ny fifandraisana amin’ny sehatra maro. Fitaovana lehibe ihany koa amin’ny fanatsarana ny Fampianarana Ambony sy ny fanomezana fampianarana tsara kalitao araka ny tanjonan’ny ministera, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

Ny CNELA, izay tarihin’ny Taleny ankehitriny, ny Dr. RAKOTONIERA Zoly, dia ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ahitana mpianatra manodina ny 1000 isaka ny telovolana ho an’ Antananarivo ary 200 any Toamasina sy Soavinandriana. Miisa 60 ny mpampianatra ao amin’ity Ivon-toeram-pampianarana ity.

Hetsika maro no efa nanamarihana ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny CNELA dia ny loabary an-dasy momba ny teny anglisy ny volana oktobra 2024 sy ny fanokafana ny rantsana fahatelo ao Barikadimy, Toamasina.

Ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia miarahaba ireo rehetra nahazo mari-pahaizana.