Tontosa ny 06 desambra 2024 teto amin'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny « Conférence des Présidents des Universités » (CPU) », fivoriana faratampony mandinika sy manapaka mikasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto amin’ny firenena, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla.

Notsindriana tamin’izany fa ilaina ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra izany, ny ministera, ny mpampianatra, ary ireo mpitantana eny anivon’ny oniversite.

Tapaka fa hatsaraina ny lalàna mifehy ny fahazoana mari-pahaizana Doctorat sy HDR. Tokony ho ireo olona mahafeno fepetra amin’ny mari-pahaizana sy manana traik’efa ara-pampianarana no hampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Hatsaraina ihany koa ny lalàna mifehy ny fifidianana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny oniversite izay hatao ny 15 febroary hatramin’ny 15 martsa 2025.

Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny 13 janoary 2025 ny taona akademika vaovao. Ny 31 janoary kosa no fetra farany hisoratana anarana ho an’ny mpianatra.

Tonga nanatrika ity fivoriana ity ireo Filohan'ny Oniversite enina eto Madagasikara, ireo Filoha mpisolo toerana eny anivon'ireo Oniversite manakaiky vahoaka, ireo Tale jeneralin’ny IST (Institut Supérieur de Technologie) rehetra, ary ireo lehiben’ny Sampam-pampianarana manerana an’i Madagasikara.

« 𝐓𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐬𝐚𝐫𝐨𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐧𝐲 . »