Vinan’ny fitondram-pajakana ary tanjon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny hampiroborobo ny kalitaon'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Mandeha sy mihodina ary mizotra mankany amin’ny fivoarana ny Oniversiten’Analanjirofo, ary efa namoaka andiana mpianatra. Izany dia azo itarafana ny fahombiazan’ny Oniversite manakaiky vahoaka izay efa notokanan’Atoa Filohan’ny Repoblika.

Ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny Lemans Université sy ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Oniversiten’Analanjirofo dia nisy ny loabary an-dasy mikasika ny "Biologie Moléculaire et Fonctionnalité Métabolisme" notanterahina tao amin’ny Oniversiten’Analanjirofo, Fenoarivo Atsinanana, ny 23 novambra 2024.

Zava-dehibe ny fifampizarana traik’efa toy izao ka Mpikaroka Mpampianatra roa avy any amin’io oniversite vahiny io, notarihin’ny Dr Françoise DENIS, no nandray anjara tamin’izany. Nanatrika izany ireo misehatra amin’ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, mpampianatra mpikaroka, manam-pahaizana manokana ary mpianatra. Nankasitraka ny rehetra nahatontosa izao hetsika izao ny Filohan'ny Oniversiten’Analanjirofo, Dr ANDIAMIHAJA Soavelo Riana.