Nihaona tamin'ireo mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny 22 novambra 2024. Votoatin-dresaka tamin’izany ny mahakasika ny atontan-taratasy fisotroan-dronono, ny fandraisana mpampianatra sy mpandraharaha ary ny « reclassement » sy ny « prise en charge ».

Samy naneho ny hetahetany ny tsirairay ary nitondra valin-teny ho an'ny fanontaniana napetraka ihany koa ny Minisitra.

Momba ny « reclassement » dia efa eo an-dalam-panatanterahana izany ny ministera ka mandefa ny antotan-taratasy rehetra tsy nokasihana nandritra ny taona maro. Mahakasika ny « panier garni » nangatahan’ny PAT kosa dia namaly ny Minisitra fa mitady ny fomba rehetra hanantaterahana izany ny tenany na dia tsy tafiditra ao anatin’ny teti-bolam-panjakana aza izany. Afa-po sy faly tamin’ny valin-teny nomen-dRamatoa Ministra ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy PAT ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga.

Teny amin'ny Kakal Mahajanga no notanterahina ity fihaonana ity ary nanatrika izany ny Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr RANDRIANAMBININA Blanchard, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Oniversite.