Tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ka mifandray amin’izany ny fampitaovana sy fampanarahana fenitra ireo oniversite. Isan’izany ny fanomezana "connexion internet" izay entina indrindra hamaly ny filan’ny mpianatra ary hanampy betsaka azy ireo amin'ny fianarana sy fikarohana izay ataony.
Ny 22 novambra 2024 dia nidina teny amin'ny Campus Barikadimy Toamasina, nisolotena ny fitondram-panjakana nametraka ny wifi maimaim-poana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Ramatoa DELMOTTE Stéphanie, notronin’ny Mpandrindra ny Sampana miady amin'ny kolikoly eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, nisolotena ny Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, Atoa RABOTOMANASA Steve Patrick.
Nankasitraka izao ezaka izao ny fianakaviamben’ny Oniversiten’i Toamasina, notarihan’ny Filohany, Pr Diny RAZANAKOLONA.