Loharanom-bahaolana sy fanantenana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny voka-pikarohana. Mandray anjara mavitrika amin'izany ireo vehivavy mpikaroka ao amin'ny Fikambanana Siansa sy Vehivavy eto Madagasikara na ASFM eto anivon’ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Anisany iantsorohan'izy ireo ny fanaraha-maso sy fikojakojana ireo zava-maniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara, novolen’izy ireo ao amin’ny Tapimasoandro, toerana famantarana ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT).

Nosafidiana ny 19 novambra 2024 nankalazana ny fanombohana ny faha-30 taona nijoroany. Notokanana nandritra izany ny takela-pahatsiarovana nanamarihan' izy ireo ny fanoloran-tena maharitra ho an'ny Fikarohana. Napetraka ihany koa ireo takelaka mitondra ny anaran'ireo zava-maniry isan-tsokajiny.

Hitohy mandritra ity taona 2024 ity ny fankalazana izay mitondra ny lohahevitra : “Fa maninona no zava-dehibe ny siansa : misarika ny saina sy manome hery ny ho avy”.

Nitarika ny fankalazana ny Filohan'ny fikambanana, Pr RANAIVOSOA Voajanahary. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan'ny Akademia Malagasy sady Reny mpiahy ny fikambanana, Pr RABENORO Irène.