Tonga nijery ireo fotodrafitrasa izay tafiditra amin’ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla ny Sabotsy 16 novambra 2024.
Anton’izao fitsidihana izao ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa mialoha ny hitokanana izany. Nojereny manokana ny trano fatorian’ny mpianatra na « dortoir » izay natao hahazaka mpianatra 320.
Anisan’ireo Oniversite tsara indrindra eto Madagasikara ny Oniversiten’i Fianarantsoa ka nanentana ny mpianatra Rtoa Minisitra mba hanajana sy hikolokoloana ny fananana iombonana. Notsindriany fa zava-dehibe ny fikajiana sy ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fotodrafitrasa atolotry ny fitondram-panjakana, mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany maharitra.