Taorian'ny fifampiresahan'ireo mpianatra tamin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr. CHAMINAH Loulla dia napetraka ny volana oktobra lasa teo ny vato fototra nanaovana ny lava-drano na « forage » ka nanomboka avy hatrany ny asa.
Efa mahazo rano ankehitriny ny lava-drano na « forage » izay hamatsiana rano ny Cité Universitaire R+1 Ankatso II. Nanambara ireo teknisiana fa efa miroso amin'ny fametrahana ny fitahirizan-drano na « château d'eau » izy ireo. Mihoatra ny 3m³ isan’ora ny rano hovokarina ary mahazaka 15m³ ny fitahirizan-drano.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fikatsaham-bahaolana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny famatsiana rano ny trano fonenan’ny mpianatra izao asa tanterahina izao ary fiaraha-miasa amin’ny « Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar » (CMSM).
Mahazaka mpianatra 320 ny trano vaovao R+1 eny Ankatso II ka 160 lehilahy ary 160 vehivavy.