Isan’ireo vina napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA ny fametrahana ireo Oniversite manakaiky vahoaka ary ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa dia manao ny ezaka rehetra ho fampandehanana azy ireo. Tanjona ny hanala ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka lavitra sy hahafahana mitrandraka ny zava-misy ao amin’ny Faritra amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo lalam-piofanana amin’ny filàna ao an-toerana.

Efa vonona tanteraka ireo foto-drafitrasa ao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra ka nidina ifotony tany Antsirabe, nanara-maso ny fizotry ny asa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 07 novambra 2024. Ezahina hovitaina ami’nity taona ity ny asa rehetra.