Manatanteraka fitsidihana any amin’ny Oniversiten’Antsiranana Andriamatoa Minisitra nanomboka ny 01 martsa 2024, fotoana izay nahafahany nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana : mpampianatra (Personnel enseignant) eny amin’ny Oniversite sy ny Ecole Normale Supérieure, tompon’andraikitra misahana ny vatsim-pianarana, mpandraharaha (PAT).

Teboka maro no voaresaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra toy ny ora fanampiny, ny fandraisana mpiasa ao anaty mangarahara, ny « Reclassement », ary ny « Amenagement de Poste » ho an’ireo efa mpampianatra eo anivon'ny Oniversite ka mahafeno fepetra. Zava-dehibe loatra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra ho fanatsarana ny fampianarana ka ilaina ny fametrahana sehatra ifampiresahana.

Ny mikasika ny fikarohana ara-tsiansa dia nivoitra fa tokony hampiakarina ny teti-bola natokana ho amin’izany ary ireo vokam-pikarohana dia avadika ho fampandrosoana, ka mba hifanaraka amin’ny politikan’ny fitondram-panjakana izay mametraka ny fikarohana ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Isan’ny nivoitra ihany koa ny fikarakarana « Foire de la Recherche » ho fampandehanana ny fikarohana.

Fanamby napetraka ihany koa ny fametrahana ny filaminana eny anivon’ny Oniversite, ka tsy hisian’ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, ny hizoran’ny fanadinana Bakalôrea an-tsakany sy an-davany. “Miara-miasa mivantana amin’ireo Filohan’ny Oniversite ny Minisitra”. Io no fomba fiasa napetraka mba hanamora ny fikatsaham-bahaolana amin’ny zava-misy eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony.