𝐴ℎ𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑛𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑣𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑙𝑎𝑠𝑎 𝑜𝑟𝑖𝑛𝑎𝑠𝑎, 𝑎𝑠𝑎 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 𝑎𝑟𝑦 ℎ𝑎𝑟𝑒𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎? 𝐼𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑜 𝑡𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑎𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑃𝑜̂𝑙𝑒 𝐸𝑛𝑡𝑟𝑒𝑝𝑟𝑒𝑛𝑒𝑢𝑟𝑖𝑎𝑡 – 𝐻𝑢𝑏 𝐸𝑛𝑡𝑟𝑒𝑝𝑟𝑒𝑛𝑒𝑢𝑟𝑖𝑎𝑙 2026, 𝑎𝑛𝑑𝑖𝑎𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦, 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜 𝑡𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑈𝑁𝐼𝑃𝑂𝐷 𝑇𝑠𝑖𝑚𝑏𝑎𝑧𝑎𝑧𝑎 𝑛𝑦 29 𝐴𝑜𝑔𝑜𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎 2026.
Mifanaraka amin’ny vinan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin’ny alalan’ny UNIPOD, izay eo ambany fitantanan’ny Fitaleavana ny Fikarohana sy ny Haivao ity hetsika ity ka nahatonga ny Minisitera hanohana izany.
Nokarakarain’ny “Maison de l’Entrepreneuriat” (MDE), niaraka tamin’ny “Economic Development Board of Madagascar (EDBM), tamin’ny alalan’ny Tetikasa ITOVIA, ny hetsika mba hanampiana ireo tanora sy mpamolavola tetikasa hamadika ny heviny ho tetikasa azo tanterahina sy maharitra, ary hahazo ireo vaovao sy tambajotra ilaina amin’ny fampandrosoana izany. Fotoana iray ihany koa nampivondrona ireo Oniversite, ivon-toeram-pikarohana, orinasa, mpandraharaha, mpamolavola tetikasa, mpamatsy vola ary ireo rafitra mpanohana.
Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny MDE sy ny UNIPOD ary ireo mpisehatra samihafa, ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fanavaozana eto Madagasikara, narahana stand, famelabelaran-kevitra sy atrikasa.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène.