Mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa amin’ny fanomezana torolalana sy fahalalana fototra ho an’ireo tanora, mpianatra mikasika ny lalam-piofanana azo arahina eny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony.

Natomboka ny 27 aogositra 2026 ny « Salon de l’étudiant » andiany fahefatra izay tanterahina eny amin’ny JJ Rabearivelo Analakely ho an’Antananarivo, ary hitohy ny 28 sy 29 aogositra izany. Manodidina ny 80 ireo tranoheva ahitana ireo Sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana manana fahazoan-dalana (Habilitation) sy ireo Sekolim-panjakana ambony. Ho torolalana sy torohay ho an'ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny dia mitazona tranoheva ihany koa ny MESUPRES amin’ny alalan’ny Fitaleavana Ankapobeny ny Fampianarana Ambaratonga Ambony (DGES) izay miara-mikarakara ny hetsika amin’ny « Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique » (CIDST).

Natao amin’ireo Faritra maro ity hetsika ity mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny safidiny.

Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) dia mampahatsiahy fa maro ireo safidy azo atao amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony manerana ny Nosy : Oniversitem-panjakana, Oniversitem-panjakana Manakaiky Vahoaka, izay manamora ny fahazoana fampianarana ambaratonga ambony eny ifotony; Institut Supérieur de Technologie (IST) sy ireo ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony hafa; Oniversite sy Sekoly ambony tsy miankina nahazo Habilitation ary Fampianarana Misokatra sy Lavitra (FOAD), ho an’ireo misafidy ny fianarana ampitain-davitra