Anisan’ny hetsika nisongadina nandritra ny ASIEF ny 26 aogositra 2026 ny “match de gala “ lalao ara-panatanjahantena baolina kitra sy Basketball nifandonan' ny ekipan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta tamin’ny ekipa voafantin'ny ASIEF.
Nandray anjara tamin’ny taranja basketball niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Ireo hetsika ireo dia naneho ny maha-zava-dehibe ny fanatanjahantena ho sehatra mampiray sy manamafy ny firaisankina.