Notanterahina tao Manakara, ny 26 aogositra 2026, ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Lalao Ara-panatanjahantena ho an’ny Mpiasam-panjakana (ASIEF) 2026, izay natrehin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël.

Nohamafisiny tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana. Araka ny nambarany, sehatra iray hanamafisana ny fandraisana andraikitra, ny fahitsiana, ny fifanajana ary ny fanetren-tena ny fanatanjahantena. Notsindriany ihany koa fa tokony ho fitaratra amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika ho an’ny mpiasam-panjakana ny ASIEF, ka hifototra amin’ny fahadiovana sy ny fahitsiana hatrany.

Mandray anjara amin’ity lalao ASIEF 2026 ity ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), ary nanotrona ny hetsika ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.