Mandray anjara amin’ny lalao ara-panatanjahantena nasionaly ASIEF 2026 ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin’ny alalan’ireo mpiasa misolo tena azy.
Niainga ny 22 Aogositra 2026, hihazo an’i Manakara ireo mpandray anjara. Nirary soa sy nanome tsodrano azy ireo ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ary namporisika azy ireo hitondra vokatra tsara sy hanandratra ny anaran’ny Minisitera.
Miisa 65 ireo mpiasa mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, amin’ny taranja baolina kitra vehivavy, baolina kitra mifangaro, basket-ball, atletisma ary pétanque.
Ny 25 Aogositra no fanokafana ofisialy ny Lalao ASIEF. Haharitra hatramin’ny 5 Septambra 2026 ny fifaninanana.
Mirary fahombiazana ho an’ireo solontenan’ny MESUPRES rehetra!