Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana (MESUPRES) amin’ny alalan’ny Fitaleavana Ankapobeny ny Fampianarana Ambaratonga Ambony (DGES), miaraka amin’ny “Centre d'information et de Documentation Scientifique et Technique” (CIDST) dia manampy ireo mpianatra hahafantatra ny tontolon'ny Anjerimanontolo sy manome torolalana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fianarana aorian'ny Bakalorea.
Ny 13 sy 14 Aogositra 2026 dia notanterahina tao amin'ny KSLMD Andrainjato Fianarantsoa ny “Salon de l’étudiant” andiany faharoa. Tanterahina ny 21 sy 22 Aogositra 2026, ao amin’ny Maison de la Culture Mangarivotra, kosa izany ho an'i Mahajanga. Ary hitohy amin'ireo Faritra hafa ihany koa izany.
Tranoheva maro maneho ireo lalam-piofanana samihafa amin'ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina, manana fahazoan-dalana (habilitation) no hita isaky ny hetsika. Tanjona ny hanome vaovao sy torolalana ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo tanora vao nahazo bakalorea, indrindra momba ireo lalam-piofanana misy, ny votoatin’izany ary ny fahafahana araka asa aorian’ny fianarana.